Taorian’ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo olona tsara sitra-po nanome vaovao marim-potra nanamora ny fikarohana an’ireo olon-dratsy, dia voasambotra ny alakamisy teo ny roalahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fitifirana ka nahafaty raim-pianakaviana iray sy ny zanany menavava teo an-trotroany sendra nakanaka rivotra teo an-tokotaniny, ny 28 febroary tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany, izay fotoana nitrangan’ity vono olona nahatsiravina ity, tao amin’ny Fokontany Ambalakazaha, any amin’ny Kaominina Bekopaka, Distrikan’ Antsalova. Tifitra indroa no nahafaty azy mianaka, ka voa tamin’ny tanany havia sy ny fony ilay raim-pianakaviana rehefa niditra namakivaky ilay zaza teo am-pofoany ny bala, ary niara-maty tsy tra-drano izy mianaka avy eo. Ny asabotsy teo no natolotra ny Fampanoavana amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Maintirano ireo roalahy nahavanon-doza, ka naiditra am-ponja vonjimaika avy eo, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa