Fianakaviana ao anatin’ny tokantrano 23 no mihorohoro fa horoahina hiala eo amin’ny fokontany. Efa nonina tao hatramin’izay ireo mponina maherin’ny 200 ireo, ary ny 11 dia efa tangalamena manodidina ny 87 taona, kanefa teraka teo avokoa. Ao amin’ny fokontany Ambinanindrano, kaominina Ampasipotsy Mandialaza, no ahitana ity tranga ity. Ao amin’ity fokotany ity avokoa no misy ny fasan-dRazan’ireo efa tangalamena 11 ireo sy ny taranany tsirairay avy. 37ha ity tany ahitana disadisa ity ary ny 70% amin’ny velarany io dia misy kininina efa lehibe ary efa fitrandraka. Ny iray amin’ireo mponina ao an-toerana no nilaza ho manana taratasy ara-panjakana izay manambara fa azy irery ny fokontany iray manotolo. Etsy ankilany ireo fokonolona dia miray feo fa ny 20a ihany no an’ity olona milaza ho tompony ity. Raha ny fantatra dia noho ny fahitana lalam-barotra ho amin’ireo kininina no fototry ny olana. Miantso ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ireo mponina hijery akaiky ity raharaha ity satria zaza miisa 97 no voatery hajanona tsy hianatra alohan’ny fiafaran’ny taom-pianarana amin’ity taona ity. Miraviravy tanana ny mponina ao amin’io fokotany io ankehitriny.
Cathy