Taoarin’ny nanomezana fahafahana ny 17 lahy voatazona noho ny fitazonana basy tsy ara- dalàna tamin’ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona, dia azo lazaina fa niravona ihany ity raharaha ity teto Antsirabe.
Fantatra fa, nisy fihaonana nataon’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpitandro filaminana teto Antsirabe hatramin’ny Alatsinainy antoandro mikasika ity raharaha ity. Somary nafampana ihany mantsy ny zava-nitranga teto Antsirabe, nandritra ny fotoana nampakarana ny raharaha teny amin’ny fitsarana, ny alatsinainy lasa teo. Vao mainka nitombo isa ireo fokonolona nitaky ny hamoahana ny havany, omaly Talata 20 martsa. Maro tamin’ireo fokonolona no nandeha an-tongotra hatrany Mahaiza Betafo hanamafy ny fitakiana. Araky ny loharanom-baovao anefa, dia fantatra fa navotsotra ny 17 lahy fa ny roa kosa mbola tazonina atao fanadihadiana mikasika ilay basy « masse 36 ». Nilaza ny tsy hanaiky anefa ny fokonolona ary nasiaka fiteny mihitsy, fa tsy maintsy hamotsotra ny namany izy ireo, satria tsy dahalo ireo voatazona ireo. Nitondra fanazavana ny solon-tenan’ny fokonolona fa basy azo tany amin’ny dahalo io « masse 36 » io ary tsy maintsy mahafaty dahalo io basy io mba hanotana fady ny fanafody fampiasan’ny dahalo. Fanafihana tamin’ny 9 Septambara 2017 no nahazoana io basy io avy tamina dahalo iray nanao fanamiana mpitandro filaminana ka matin’ny fokonolona. Marina hoy ny fokonolna, fa tsy ara-dalàna ny fitazonana basy, saingy mahery vaika loatra ny fitaovana fampiasan’ny dahalo ka atao ahoana ny hanohitra azy raha tsy mitovy ny fitaovana ampiasaina hoy hatrany ny fokonolona nanazava.
Nihaona mivantana tamin’ireo fokonolona avy tao amin’ny kaominina : Mahaiza, Soavina , Ambohimanambola , Manapa ny tompon’andraiki-panjakana teto Antsirabe, tao amin’ny tranoben’ny kolontsaina izay notarihin’ny prefen’Antsirabe, Rtoa Voahangy Andriatomponera. Nanazava ity farany fa enjehin’ny lalàna ny fitazonana basy tsy ara-dalàna tsy nahazoana alàlana. Ankoatra izay ny famoriana vahoaka tsy nahazoana alàlana ary ny fisiana fikambanana mitady hitovy lenta amin’ny mpitandro filaminana.Tsy nanaiky izany anefa ireo fokonolona namaly bontana, fa tsy matoky ny mpitandro filaminana intsony ny fokonolona, noho ny tsy fandriampahalemana sesilany. Solontena iray avy ao Mahaiza aza moa nilaza mivantana nanoloana ny tompon’andraiki-panjakana eto Vakinankaratra, fa fanjakana lanin’ny kadradraka sy kalalo no mitsy eto amin’ny firenena.
Nanome andro vitsivitsy ny fanjakana hamoahana ireo namany roa lahy ny fokonolona, fa raha tsy izay dia hanao hetsika hafa indray izy ireo.
Andry N.