Efa ny faramparan’ny taona 2017 iny no nahare ny fisian’ity mpisandoka ho manamboninahitra zandary manao asa fisolokiana tao Mahanoro, ny zandary tany an-toerana, sy ireo namany mpanao fikarohana ara-keloka ao Vatomandry tarihin’ny GP1C Randriatsirimalalaniaina Fabrice. Efa nanomboka ny volana janoary teo ny fikarohana ity tovolahy mpanao izany, raha avy nanontany ny fisian’ity mpisandoka ho zandary ity, teo anivon’ny foiben’ny zandary tao Antananarivo ny teto Toamasina. Nahitana vokatra ny fikarohana natao ; izay nisian’ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny fokonolona tao Vatomandry sy Mahanoro ary ny manodidina rehetra, ka ny zoma 17 martsa teo no sarona ny lehilahy iray. Raha natao ny fisavana ny trano nisy azy, dia tratra tao ny fanamiana zandary fampiasany, sy ny galona na lietna nampiasainy, ary ireo antontan-taratasy nanaovany fisolokiana tamin’ireo olona tao Mahanoro sy ny manodidina rehetra, fa afaka mampiditra mpianatra ho zandary ny tenany. Efa mahatratra 20 ny fianakaviana tratrany ; izay nahazoany 200.000 ariary isany ka efa nahatratra 4 tapitrisa ariary ny vola azony tamin’ny fisolokiana nataony. Tsy nijanona tamin’izay ihany anefa ny zandary manao ny fikarohana ara-keloka ao Vatomandry, fa nanohy ny fikarohany, ka nandritra izay no nahatraran’izy ireo taolam-paty efatra gony tao amin’ity tovolahy nisandoka ho zandary ity. Raha ny filazany, dia nisy nanome toky izy fa hisy hividy 3.000.000 ariary taminy ireto taolam-paty ireto, efa vita rahateo ny fifanarahana amin’ny fanomezana ny voaloham-bola 1.000.000 ariary, nefa tsy hita ireto milaza ho mpividy sy ilay mahita ny mpividy ireto taolam-paty ireto. Tsy afa-nandà ny heloka vitany ity tovolahy sady nisandoka ho zandary, sy nisoloky olona amin’ny fampidirana olona ho mpianatra zandary, ary mbola nahatrarana taolam-paty ity; efa vita ny fakana am-bavany azy ka hiakatra fitsarana ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Vatomandry ny tenany, anio alarobia.
Malala Didier