Ny talata teo tany ho any amin’ny 11ora antoandro no nitohana ny fifamoivoizana. Ity fiara karetsaka R12 tapaka tsindry hisatra avy any ambony no niala môtô ka nampianjera ilay mpitaingina, nifatratra tao aorian’ilay fiara Ford 4×4 tsy mataho-dalana teo anoloany. Ramatoa iray nipetraka teo amin’ny ilay fiara karetsaka teo aloha no naratra teo amin’ny tongony ka nalefa haingana tany amin’ny hopitaly HJRA. Tsy nisy moa ny aina nafoy fa ny fahasimbana kosa dia goavana na teo amin’ilay fiara karetsaka na tamin’ilay 4×4 teo anoloany.
ALEM