- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Jiolahy nanafika lasa ny vola sy ny entana tao an-trano

Ambatolampy : Jiolahy nanafika lasa ny vola sy ny entana tao an-trano

Ny 27 aprily teo tany amin’ny sasak’alina no nanafika tao amin’ny fokontany Ambodinapositera ireto jiolahy 6 nitondra basy Kalachnikov iray sy basy PA iray no nanafika ity tokan-trano mpivarotra volamena.Sady nanapoaka basy izy ireo no niditra tao an-trano ka raha vao tafiditra ny tokonana dia novelesin’izy ireo tamin’ny vody basy ilay rangahy tompon-trano. Ny saokany moa ny voa tamin’izany ka tonga dia tsy nahahetsika ity lehilahy.Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 1 000 000ar,vovo-bolamena 5g ,radio carte iray ary finday miisa telo. Antsasakadiny tao aorian’ny antso dia efa tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana saingy efa lasa nitsoaka ireo mpanafika,hita teny an-toerana ny vodim-bala 5 , ary 4 no 7,62mm fa ny iray kosa no 9mm. Efa eo am-panaovana ny famotorana moa ny zandarimaria eny Ambatolampy amin’izao fotoana izao.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser