- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Tsy hita avokoa ny razana tao anaty fasana

Ampitatafika : Tsy hita avokoa ny razana tao anaty fasana

Ny alatsinainy teo, teny Antsahakely Ampitatafika, nikarakara fasana ny tompony fa hisy fandevenana hatao. Akory anefa ny hagagan’izy ireo nahita fa tsy nihidy intsony ny varavaram-pasana,efa mikatona fotsiny. Rehefa nojerena ny tao anatiny, tsy hita tao intsony ny razana 18 sy ireo razambe. Karandoha iray sy taolana madinika vitsivitsy sisa tao, tapitra niparitaka ireo lamba. Araka ny filazan’ny tompony, tamin’ny taona 2010 no nisokatra farany ity fasana ity nanaovana famadihana. Tsy fantatra araka izay ny fotoana namakian’ny sasany azy. Efa nametraka fitoriana any amin’ny mpitandro filaminana ry zareo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser