- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Nisoloky vola 6,8 tapitrisa arairy,milaza fa manana vazimba maka “mercure”

Ambanidia : Nisoloky vola 6,8 tapitrisa arairy,milaza fa manana vazimba maka “mercure”

Vosambotra noho ny varotra “mercure” hosoka.
Vosambotra noho ny varotra “mercure” hosoka.

Vosambotry ny polisy avy ao amin’ny BC5 sy BC3 ny andian’olona milaza fa manana sy mivarotra “mercure”. Ny voalohany dia lehilahy iray mpitsabo araka ny fomban-drazana ary miteny fa manana vazimba azo irahina haka ity “mercure” ity any amin’ny faritry Tsiaronomandidy. Nisy tokoa ny olona voasolokiny tamin’izany ary nahazoany volabe mitentina 6,8 tapitrisa ariary. Ny 10 aprily teo no fotoana nomeny hanateran’ilay vazimba ny entana. Tsy nisy akory anefa izany. Raha vao azony ny vola dia tsy hita izy. Ny 27 aprily teo ity lehilahy ity no voasambotra teny Ambanidia.

Mbola resaka varotra “mercure” ihany, Misy olona nilaza fa manana “mercure” mena 3 kg sy “mercure” fotsy 1,5 kg hitadiavana mpividy. Nisy tokoa ny voarebireby ary nahazoan-dry zalahy vola 12 tapitrisa ariary. Nifanome fotoana teny Ankadikely ny mpivarotra sy mpividy. Tamin’ny farany, raikitra ny varotra. Nandritra ny fotoana niresahana anefa, nisy zavapisotro nasiana fampatoriana efa voaomana nomena ireo mpividy. Tsy nahatsiaro tena ireto farany ka tamin’izany no nandositra ireo mpisoloky niaraka tamin’ny vola sy ireo “mercure” hosoka. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ireo voasoloky ny 23 aprily. Natao avy hatrany ny fikarohana ka olona enina no fantatra fa voarohirohy amin’ity zavatra ity ary efa voasambotra avokoa. Izany Sylvain izany no lehibeny. Ny 26 aprily no tratra ny lehilahy iray teny Ambodivona. Ny harivan’io no voasambotra ny efa-dahy. Ilay vehivavy mpampiantrano indray dia ny 28 aprily no tratra teny Anosy.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser