- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Lehilahy tratra nangalatra tao amin’ny « epicerie », matin’ny fitsaram-bahoaka

Toamasina : Lehilahy tratra nangalatra tao amin’ny « epicerie », matin’ny fitsaram-bahoaka

Nihanahazo vahana tanteraka indray ity resaka fitsaram-bahoaka ity tato ho ato. Indrindra moa fa tany amin’iny faritra, toy ity nitranga tany Atsinanana ity. Lehilahy iray no namoy ny ainy, rehefa novonoin’ny fokonolona fa tratra nangalatra tao amina toeram-pivarotana iray. Tao amin’izany fokontany Andilambola ao amin’ny kaominina Andodabe izany no nitrangan’izany tranga izany ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo. Araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay dia  lehilahy iray, manodidina ny 30 taona teo ho eo no tratry ny fokonolona, niditra an-keriny tao amina tranombarotra iray tao an-tanana. Efa nahazo zavatra mihitsy ity olon-dratsy ity tamin’io fotoana io no nifanenjehen’ireo fokonolona. Tsy lasa lavitra fa vetivety ihany anefa dia voasambotra ity mpangalatra ity. Tsy niandry ela ihany koa ireo fokonolona izay tsy nisalasala avy hatrany fa dia namono sy nidaroka ilay lehilahy. Tsy navelan’izy ireo moa raha tsy namoy ny ainy ity farany. Rehefa nandre ny zava-misy moa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao Foulpointe dia nidina avy hatrany tany an-toerana, niaraka tamin’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanana, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana. Efa nomena ny fianakaviany kosa ny razan’ity olona voalaza fa tratra nangalatra ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici