- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy gadralava tra-tehaka nangalatra akoho, niharan’ny hatezeram-bahoaka

Toliara : Tovolahy gadralava tra-tehaka nangalatra akoho, niharan’ny hatezeram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany Toliara, omaly antoandro  tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Tovolahy iray 30 taona eo voalaza fa gadralava no tra-tehaka nangalatra akoho  efatra, tao amin’ny Fokontany Ankatsaka, ka naratra mafin’ny vono sy daroka niharan’ny hatezeram-bahoaka, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibeny mihitsy, raha tsy voalamina haingana ny raharaha. Raha ny fanazavana azo, dia teo am-pilanjana ireo akoho avy nangalariny saika hamaky ny fefy vala hazo hitsoahany ity mpangalatra ity, no nifanehitra tampoka tamin’ny tompon’ireo akoho, izay handeha hivalan-drano tamin’ny trano fivoahana ambadiky ny tranon’akoho. Raikitra ny hazolava (antso vonjy) ka nifanenjehana eran’ny tanàna ity mpangalatra ity, ary rehefa tratra izy dia nisy tamin’ireo mpiara-monina manodidina no nahafantatra, fa vao nivoaka ny fonja ny alarobia teo noho ny resaka halabotry sy vaky trano hatrany ity tovolahy sarona nangalatra akoho ity.  Tsy mety fay fa manohy hatrany ny asa ratsiny ity lehilahy gadralava ity, ka nanamparan’ny olona teo an-tanàna ny hatezerany, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici