- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversGrevin’ny fonja : Tazomina ao amin’ny « violon » ny olona tokony...

Grevin’ny fonja : Tazomina ao amin’ny « violon » ny olona tokony ho MD rehetra

Ho feno tanteraka ny « violon » afaka folo andro eo raha ny tombana. (Sary tahiry)

Efatra andro taorian’ny niatombohan’ny fitokonan’ny mpandraharahan’ny fonja, efa manomboka misy fiantraikany mivantana amin’ny fandrindràna ny filaminam-bahoaka ny zava-misy. Ho an’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana sasany dia efa manomboka feno ny toerana fitazomana olona nandika lalàna, na ny « violon ». Ny antony dia satria tsy maintsy tazomina eny amin’ireny toerana ireny aloha izay rehetra nahazo didy famonjana avy eny anivon’ny fampanoavana. Izany hoe, mifangaro ao avokoa izany ny olona avy nosamborina sy ny olona efa natolotra ny fampanoavana ka nofonjaina vonjimaika. Ho an’izay efa feno tanteraka dia tsy maintsy miangavy amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana hafa ary any no hitazomana izay. Raha ny tombatombana dia folo andro eo sisa dia ho feno tanteraka ary tsy misy azo ametrahana olona intsony ny « violon » rehetra eto an-drenivohitra, na ny an’ny pôlisy izany na ny an’ny zandary. Ny etsy amin’ny fampanoavana indray dia miasa ara-dalàna ihany ary tsy misy akony amin’ny fampandehan-draharahan’ny mpitsara ny fisian’ny fitokonan’ny mpiandry fonja. Na izany aza dia efa manahy ihany koa ireo ny amin’ny atsy ho atsy. Raha ny traikefan’ny mpitsara eo anivon’ny fampanoavana koa mantsy dia manodidina ny 15 andro eo ihany raha misy isan’andro (izay misy rahateo izany) ny famonjana vonjimaika olona, dia ho feno tanteraka ny « violon ». Tsy vao voalohany no nisy ny fitokonan’ny mpiandry fonja toy izao ary avy amin’izany no nahazoan’ny sehatra hafa miadiady fanadihadiana io tombana sy fetr’andro io. Vao efatra andro anefa izay no lasa dia efa manahy ny rehetra. Ny eo anivon’ny mpitandro ny filaminana indray dia tsikaritra fa efa tsy maintsy manao sivana tsikelikely izy ireo ka izay raharaha misy akony amin’ny filaminam-bahoaka aloha no tsy maintsy kirakirana. Mifanaraka amin’izay, izay olona voakasik’izany no tena tazomina voalohany. Ny raharaha madinika indray dia somary andeferana saingy kosa tsy maintsy fantatra ara-dalàna ny toeram-ponenan’ny olona voakasika ary hiverenana rehefa milamina ny toe-draharaha. Na izany aza, misy ihany ireo mpiandry fonja nisafidy ny hiasa na dia eo aza ny fitokonana. Ho an’ireo tsy miasa indray dia misy ihany ny asa farafahakeliny : ny famoahana ireo izay nahavita sazy ary koa ny fanomezana sakafo ny voafonja ary farany dia mazava ho azy koa ny fiambenana ny fonja. Efa nisy ny fotoana, tany aloha tany, namoahana fotsiny ireo tontakely noho ny fahefanoan’ny toerana hitazomana azy ireo. Dia mbola hitranga indray ve izany amin’izao tsy fandriam-pahalemana izay efa mampikaikaika ny olona izao ?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici