- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivobe : Dahalo maty voatifitry ny fokonolona

Fenoarivobe : Dahalo maty voatifitry ny fokonolona

Azo lazaina fa efa mampiteny ny moana ity resaka tsy fandriampahalemana ity, na an-tanan-dehibe io, izay anjakan’ny jiolahy mitam-piadiana, na ambanivohitra izay anjakan’ny dahalo. Voatery miaro tena araka izay fitaovana eo am-pelatanany araka izany ireo fokonolona. Toy ity nitranga tany Bemahatazana, ao amin’ny kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe ity, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Tsy nanaiky lembenana tamin’ny fanafihana ny tananany mantsy ireo fokonolona fa dia tena niaro tena tokoa. Nisy araka izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta : ireo fokonolona sy ireo dahalo, izay niisa telo, araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay. Vokany iray tamin’ireo mpanani-bohitra no maty lavon’ny balan’ireo mponina. Raha ny zava-nitranga dia tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva teo no nanao amboletra tao an-tanana ireto olon-dratsy ireto. Basim-borona sy zava-maranitra no teny am-pelatanan’izy ireo. Tsy nampisalasala azy mihitsy ny nampiasa izany, nentina nampitahotra ireo mponina. Tifitra varivariraka araka izany no nanakoako tao an-tanana. Efa tsara fiambenana ihany koa anefa tetsy andanin’izay ireo voatafika izay vetivety foana dia namaly tifitra ireto mpanafika. Rehefa hitan’ireto olon-dratsy fa vonon-kiaro ny fananany hatramin’ny farany ireto mponina, ary indro ihany koa fa lavo ny iray tamin’izy ireo dia niverin-dalana nitsoaka izy ireo. Tsy nahazo na dia tadin’omby iray aza. Teo ihany moa dia nampandrenesina sy nampahalalana ny zava-nitranga ireo tompon’andraikitry ny filaminana any amin’ity faritra iny. Tamin’ny fidinan’ireto farany tany an-toerana dia fantatra fa izany  Nore izany no anaran’ity dahalo maty ity ary olona mipetraka amina tanana tsy lavitra tamin’ilay voatafika ihany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici