- Publicité -
mercredi, décembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Efa hita ny roa tamin’ireo olona dimy maty navadiky...

Soanierana Ivongo : Efa hita ny roa tamin’ireo olona dimy maty navadiky ny lakana

Ny zoma teo, dia nisehoana loza an-dranomamy tao amin’ny kaominin’i Fotsialanana distrikan’i Soanierana Ivongo, tokony tamin’ny3ora sy sasany tolakandro, fotoana indrindra famonjen’ny olona fodiana. Lakam-by mandeha motera avy ao Fotsialanana hihazo an’i Soanierana Ivongo ity tra-doza nivadika tam-povoan-dranon’i Marimbona ity, izay fari-drano manamorona ny fokontany Fandrianomy. Tsy fantatra mazava ny tena nahatonga ny loza, fa raha ny vinavinan’ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, dia mety ho nandona zavatra ity lakam-by ity ka izao nivadika izao, izay saika mandeha mafy avokoa ny ankamaroan’izy ireo noho ny fanenjehana mpandeha sy ny fotoana. Tamin’ireo dimy dia mpihavana ny telo ary zaza menavava ny iray. Efa hita omaly alahady tamin’ny 10ora ny roa izay lehilahy avokoa, fa ny telo izay ilay ramatoa sy ny zanany menavava ary ny havany kosa mbola tsy hita popoka hatreto aloha. Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny kaomisarian’ny polisy ao Soanierana Ivongo, dia tamin’ny antonony tsara ny olona nentin’ity lakam-by ity tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, satria mpandeha 60 amin’ny 80 zakany no tao anaty lakana tamin’io fotoana io; nandritra ny loza ihany koa dia niezaka nanampy ireo tra-doza ny mponina manodidina rehetra sy ny mpanamory ilay lakana. Mitohy hatrany ny fikarohana hoy ny polisy any an-toerana, ka manomboka eo amin’ny vava vinanin’i Soanierana Ivongo izany hatrany amin’ny ranon’i Marimbona ao Fotsialanana izay nitrangan’ny loza.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici