- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara – RN9 : Roalahy mamo nianjera tamin’ny moto nirimorimo mafy, tapa-tongotra...

Toliara – RN9 : Roalahy mamo nianjera tamin’ny moto nirimorimo mafy, tapa-tongotra sy vaky loha

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tamin’ny RN9, afak’omaly naraina, tokony tamin’ny valo ora, tao Tsigoritelo, 13 km miala ny tampon-tanànan’i Toliara, teo anelanelan’ny tanànan’i Belalanda sy Mangily. Roalahy voalaza fa mamo nanao taingin-droa tamin’ny moto nandeha mafy no nianjera tao anaty fidinana sady fiolanana, ka niara-tapa-tongotra sy vaky loha ary safotra tsy nahatsiaro tena. Fiara sendra nandalo nahita ny loza no namonjy haingana ny niharam-boina, izay manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Toliara ankehitriny. Araka ny fanazavana azo, dia  tapaka ny fe roan’ ilay raim-pianakaviana 35 taona nitondra ny moto, raha tapaka tarangana nipitsika, ary mbola tsy hita kosa hatramin’izao ny tongotra havian’ilay tovolahy 30 taona nentina tao aoriana. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia mbola miady mafy amin’ny fahafatesana ireto roalahy tra-doza naratra mafy vita fadidiana, raha ny tati-baovao azo farany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici