
Mandalo ny olona dia mijery fotsiny. Tsy nisy na dia iray akory aza mba nanarona lamba izany na koa mba nifanampy tamin’ny fampandrenesana ny mpitandro ny filaminana. Mandalo ny fiara dia miala fotsiny ilay toerana hivalamparan’ilay razana. Torak’izany koa ny moto. Voaraikitra ao anaty horonan-tsary avokoa izany fihetsika tsy misy fandraisana andraikitra izany. Olona nandeha moto no namoy ny aina vokatry ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny lalam-pirenena fahatelo, mifanandrify amin’ny antsoin’ny rehetra hoe « La croix ». Marina fa isan’andro loatra ny lozam-pifamoivoizana fa kosa ny fanajana ny maty sy ny fifanomezan-tànana mba hanalana azy eo an-toerana na farafaharatsiny mba ny fiantsoana ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra dia tokony horaisin’izay mahita adidy. Mbola endrika iray koa ny nitranga fa betsaka ny miraviravy tanana raha vao resaka fandraisana andraikitra.
D.R