- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025

Tapatapany

# Mananara Avaratra. Rangahy noahiahiana ho mpangalatra lavanila matin’ny fitsaram-bahoaka. Tranga niseho ny faran’ny herinandro teo tao Antsiratenina. Rehefa nisava ny tranon’ity rangahy ity ireo fokonolona izay efa mahana ny amin’ny fihetsiny dia mbola nahita lavanila 40 kilao. Tezitra tamin’izany ireto farany ka nidaroka sy namono ilay rangahy, izay tsy navelan’izy ireo raha tsy tapitra ny ainy. Efa tonga tany an-toerana moa ireo tompon’andraikitra nandray an-tanana ny raharaha sy nandoro ireto lavanila ireto

# Marovoay. Notafihin’ny dahalo ny tanana iray antsoina hoe Matsaborimirafy, ao amin’ny fokontany Andromitsara, kaominina Bemarivo. Olona tamin’ireo mponina no namoy ny ainy vokatr’izany. Zava-niseho ny faran’ny herinandro teo hatrany. Tsy fantatra isa ireo olon-dratsy izay tsy nitondra afa-tsy zava-maranitra. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo zandary sy ny fikarohana ireto olon-dratsy.

# Madirovalo. Kamiao mpitatitra vokatra notafihan’ny dahalo teny an-dalana, teo anelanelan’i Bongamaro sy Tsianaboha, samy ao amin’ny kaominina Madirovalo, distrika Ambato-boeny. Vola mitentina fito tapitrisa ariary no lasan’ireto olon-dratsy niaraka tamina gony tsy nisy n’inona n’inona miisa 30. Olona roa no naratra vokatr’io fanafihana io. Ny tobim-paritry ny zandary ao Madirovalo no misahana ny raharaha.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici