- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny Paska : Polisy 4 677 no hahetsika manerana Nosy

Fetin’ny Paska : Polisy 4 677 no hahetsika manerana Nosy

Ho hentitra ny polisim-pirenena amin’ny fitadroana ny filaminana mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona ity. Noraisina izany fepetra izany, hoy ny Commissaire divisionnaire de Police Rakotooarimanana Herilala, Talen’ny Filaminam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, mba hahafahan’ny rehetra mifety. Loha-hevitra entin’ny mpitandro ny filaminana hiasana mandritra io fety io ny hoe « Filaminana iaraha-misalahy, fisorohana ny loza mialoha ». Misy araka izany fandaminana napetraka ka polisy miisa 4 677 no hahetsika manerana ny Nosy ka  2 271 amin’ireo dia eto Antananarivo. 545 ho an’i toamansina. 455 ho an’Antsiranana, 627 any Mahajanga. 572 sy 307 avy kosa ho an’i Fiarantsoa sy Toliary. Mizara roa mazava tsara ny andrikitra hosahanin’ireo mpitandro ny filaminana io am’io fotoana io : fitandroana ny filaminana sy fampiridrana ny fifamoivoizana. Fitandroana ny filaminana amin’ireo fidirana sy fivoahana ny tanan-dehibe rehetra. Fitandroana ny filaminana sy fiambenana ireo toeram-panaovam-pety sy toeram-pivavahana mandritra ny herinandro masina sy ny alahady. Jerena manokana ireo toeram-pitsangatsanganana sy mety ho vory vahoaka mandritra ny alatsinainin’ny Paska. Fitandroana ny filaminana amin’ireo lalam-pirenena. Ho tsindriana mafy amin’izany ny fisorohana, kanefa raha sendra ny tsy azo anoharana dia tsy maintsy ho tonga amin’ny fanenjehana sy ny fanasaziana. Mikasika ny fifamoivoizana indray dia nilaza ny Talen’ny Filaminam-bahoaka fa tsy maintsy hatao ny hanamaivanana sy hampikoriana ny fifamoivoizana an-tanan-dehibe. Entanina ny mpampiasa lalana mba hifanaja. Hosorohina arak’izay azo atao ny lozam-pifamoivoizana ka ezahina ny hanamorana ny famonjena raha sanatria ka misy ny loza. Koa miantso ny rehetra ny polisim-pirenena mba samy hitandrina indrindra amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici