Tsy mandefitra amin’ny fametrahana tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina ny polisim-pirenena, indrindra amin’izao fiatrehan’ny vahoaka ny fetin’ny paska izao, ka amin’izy ireo dia izay vandana dia kary koa tsy maintsy mandray ny andrikiny izy ireo, araka ny fanambarana efa nataon’ireo kaomisera efatra misahana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina. Ny alarobia teo tokony tamin’ny 09 ora sy sasany alina dia nahatsikaritra mpanedaka teo am-panaovina ny asa ratsiny ireo polisy misahana ny fisafoana ny tanana ka raikitra avy hatrany ny fifanenjehena. Niisa telo lahy izy ireo saingy raha nasaina nijanona nandritra ny fifanenjehana dia vao mainka nirifatra, ka voatery nitifitra izay nahavoa ny roa lahy tamin’ny tongony saingy ny iray no tena voa mafy izay voatery nahiditra hopitaly niatrika ny fitsaboana azy, ny iray tsy naninona raha nahazo ny fitsaboana azy izay mpitondra posy kosa dia efa nohazonin’ny polisy miatrika ny fakana am-bavany azy nanomboka ny alakamisy teo. Ny fahatelo tamin’izy ireo kosa tafaporitsaka na nambaran’ny polisy aza fa mety voatifitra tamin’ny tongony ihany koa nandritra ny hetsiky ny polisy ity. Raha ny fanazavana azo dia isan’ireo andian-jiolahy mpanendaka mampitaraina ny olona amin’ny fokontany Ambolomadinika izy ireo, satria tsy vitan’ny mpanendaka ihany izy ireo fa mpamaky trano ikohizana ihany koa ary efa naharaisan’ny polisy fitoriana sy fitarainana maro. Isan’ny fokontany mena amin’ny tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina Ambolomadinika, ka nampitomboan’ny polisy ny fanaraha-maso ao aminy mba hifety milamina ny vahoaka rehetra.
Malala Didier