Tsy niandry ela dia efa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ilay raharaha momba ny fiparitahan’ny sary miboridana tamina tambajotra sosialy. Rehefa nozohiana ny niavian’ny sary rehetra dia nitontona tany aminy ny fanahiana voalohany. Rehefa vita ny fihainoana rehetra sy ny fakàna am-bavany, dia natolotra ny fampanoavana noho ny fanalam-baraka sy ny fizarana sary mamoafady izay misy fiantraikany amin’ny voninahitry ny olona voakasika. Izany vesatra izany no nampidoboka am-ponja vonjimaika azy mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Tsy mbola voaporofo kosa, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana ny amin’ny mety ho fisian’ny fanerena olona hanome vola na tsia mba ho takalon’ny sary. Betsaka izay nidoboka am-ponja izay noho ny hadalàna amin’ny tambajotran-tserasera, indrindra mahakasika ny fikasihana sarin’olona. Isan’ny faran’izay haingana ny fisamborana azy ilay tovolahy izay nanova ny sarin’ny filoha mba hoentina hanalana baraka azy. Manodidina ny 700.000 ankehitriny ny olona mampiasa ny tranokala eto amintsika ary isan’ny tena mpikambana amin’ny tambajotran-tserasera izay ny facebook no tena be mpikirakira. Maro anefa no tsy mahalala fa tompon’andraikitra izy ireo amin’ny fampiasana izany ,etsy andanin’izay koa dia misy ny lalàna manan-kery momba ny ady amin’ny heloka amin’ny tranokala. Misy arak’izany ny roboka any amin’izay heveriny ho fanehoan-kevitra tsotra kanefa mety ho nanohintohina ny voninahitry ny olona, nanala-baraka na koa mety misy fiantraikany amin’ny filaminam-bahoaka. Efa betsaka izay nosamborina sy nidoboka am-ponja izay…
D.R