- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFaran’ny herinandron’ny paska : Zaza iray maty tanaty « piscine » tao...

Faran’ny herinandron’ny paska : Zaza iray maty tanaty « piscine » tao Foulpointe

“Hita taratra aloha, fa tena tsy manambola ny Malagasy, hany ka voatery mitsitsy amin’ny fampiasam-bolany amin’ny fety, satria ny fetim-pirenena, ny fetin’ny maty, ny taom-baovao, ary ny fetin’ny paska no fety tena malaza eto Toamasina, ka mazana dia betsaka ny loza mitranga noho ny hamamoana mandritra izany hatramin’izay”, izay no nambaran’ireo mpitsabo misahana ny raharaha vonjy taitra sy vonjy aina ny hopitaly be. Tamin’ity faran’ny herinandron’ny paska 2018 ity mantsy dia misy 133 ny telo andron’ny paska izay mbola niampy ny talata ihany koa; tao anatin’izay dia 1 izay niditra ny talata maraina toran’ny toaka, tsy nisy afa-tsy 6 ny lozam-pifamoivoizana izay saika moto avokoa, saingy tsy nisy ny maty, ary ny resaka ady an-dalam-be dia nisy 23 ka ny  mpianakavy sy ny mpinamana ihany no nifandratra noho ny hamamoana nandritra izany. Nanao ezaka mafy tamin’ny fiambenana ny moron-dranomasina ny mpitandro ny filaminana, na teto Toamasina izany, na tao Foulpointe, ary tonga hatrany Vatomandry sy Mahanoro ihany koa, ka tsy nisy ny loza an-dranomasina. Mahavelona Foulpointe kosa ny sabotsy no nitrangana zaza latsaka tao anaty “piscine” tsy hitan’ny ray aman-dreniny tsy lavitra teo anefa, ilay zaza efa nitsengevana taorian’ny fitadiavana azy vao taitra ny rehetra, koa na niezaka nanavotra ny ain’ity zaza ny mpitsabo tany an-toerana dia tsy tana ny ainy. Ho an’ny zandarimariam-pirenena nisahana ny faritra manodidina an’i Toamasina sy ireo distrika hafa ihany koa, dia 4 ny lozam-pifamoivoizana voarain’izy ireo izay tamin’ny lalam-pirenena faha-5 mihazo an’i Foulpointe avokoa ary natan’ny moto scooter; nisy olona iray koa maty voatifitry ny tompon-trano noho ny halatra kanelina tao Vatomandry, ary olona 5 voasambotra noho ny resaka halatra. Ankoatra izay ho an’ny polisim-pirenena nisahana ny tampon-tanana, dia nisy vokany ny fanamafisan’izy ireo ny fiaraha-miasa matotra tamin’ireo andrimasom-pokonolona isam-pokontany, satria tsy nahitana tranga halatra sy vaky trano ny fokontany nandritra ny fety; feno hipoka azy ireo koa ny moron-dranomasin’i Toamasina izay tena feno olona, ka tsy nahavita nanao ny asa ratsiny ireo mpanendaka sy ireo mpangarom-paosy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici