- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025

Tapatapany

# – Antanimena. Nanjavaona ny telefôna sy ny ordinatera. Akory ny hagagan’ity olona iray avy any amin’ny faritra, natory tao amina hotely tetsy Antanimena fa rehefa nifoha maraina izy, tsy hitany teo amin’ny toerana nametrahany azy ny telefona sy ny ordinaterany. Niezaka nampandre ny tompon’ny hotely izy nefa voalazany fa tsy dia niraharaha izany ry zareo. Nametraka fitarainana tany amin’ny polisy izy avy eo ary hatramin’izao dia tsy mbola nisy vokany izany.

# – Ankazobe. Fiara nivadika, olona iray maty. Omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, nivoaka ny làlana ny fiara iray tsy lavitra loatra an’Ankazobe amin’ny lalam-pirenena faha-4 iny. Vokany, olona iray no voalaza fa namoy ny ainy ary maromaro ireo naratra. Efa mandeha ny fanadihadiana mikasika ity loza ity. Ireo maratra efa nentina any amin’ny trano fitsaboana.

# By Pass. Lozam-pifamoivoizana nahafaty olona. Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny By Pass. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpamily iray. Fiara 404 baché no nifandona tamina “camion”. Ny vaovao no nahalalana fa mafy ny dona ka izany no nahafaty an’ilay mpamily. Lalana fandehan’ny mpamily mafy noho ny hatsarany iny By Pass iny. Mila fitandremana anefa izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser