- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Fifamaliana niafara tamin’ny vono olona, iray maty voatifitra

Anjozorobe : Fifamaliana niafara tamin’ny vono olona, iray maty voatifitra

Zava-doza tokoa ny aterak’ity fo mafàna ity. Tany amin’iny distrika Anjozorobe iny, tao amin’ny fokontany Ambatody, ao amin’ny kaominina Amboasary Avaratra dia lehilahy no maty notifirina rangahy iray nifamaly taminy. Ny alatsinain’ny paka lasa teo no nitranga ity vono olona ity, araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay. Noho ny antony tsy fantatra tokoa dia raikitra ny fifamaliana teo amina roalahy izay samy mpiray tanana ihany. Nihaniakatra ny feo ary samy nifanasa vangy teo ny roa tonta. Tsy nahatanty izany anefa ny andaniny ka niala sy nirintona nody. Samy nihevitra teo ny rehetra fa vita teo ilay tsy fifankahazoana, kanjo niverina tampoka avy any an-trano ity farany. Basy no teny an-tanany, ary tsy nisy fisalasalana akory nitifitra avy hatrany ny andaniny. Nisoamaritaka avy hatrany ny mponina raha vao nahare ilay feom-basy sady nikoropaka namonjy ilay voatifitra. Niala haingana toy tsy teo kosa ilay nitifitra tao anatin’izany sakoroka izany. Noezahina nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana tao an-tanana ihany moa ilay rangahy voatifitra saingy tsy avotra intsony. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany nisambotra ilay nahavanon-doza, ary nanao ny fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny PA Amboasary Avaratra. Efa nomena ny fianakaviana kosa ny vatana mangatsiakan’ilay rangahy maty voatifitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici