Voasambotry ny polisy afak’omaly ireo jiolahy telo nitam-basy nanafika « bar-karaoke » iray tao Tsiazonandro, any amin’ny Distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy, ny alin’ny 28 martsa lasa teo, izay nahavery vola an-tapitrisany niampy firavaka volamena sy volafotsy, finday ary zava-pisotro maromaro. Nandritra ity fanafihana ity dia naratra mafy voatifitra tamin’ny basy vita gasy nampiasain’ireo jiolahy ny tompon’ ilay toeram-pivarotana. Taorian’ity fanafihana ity dia mbola nandroba tao amin’ny Fokontany Maroparasy indray ireto telo lahy, izay nangalatra kisoa kely iray natao tsaky nisotroana an’ireo karazan-toaka marobe nentin’ izy ireo avy norobaina ny alin’io. Tamin’ny famotorana natao an’ ireto andian-jiolahy tanora manodidina ny 18 taona ireto, dia niaiky ny heloka vitany izy ireo, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha, ka omaly no natolotra ny fitsarana izy telo lahy tra-tehaka, karohina fatratra kosa ny jiolahy iray tafaporitsaka.
Eric Manitrisa