Ny marainan’ny 1 may teo no nisehoana hain-trano mahatsiravina tao Andranomanelatra , tsy fantatra marina ny nihavian’ny afo fa dia ny afo nilelalela nandevina ireo trano miisa 21 tafo no vokatr’izany.
Vokatr’izany fianakaviana 25 no tsy manan-kialofana ka miteti-bidy hatrany amin’ny 4 710 000 ar ny zavatra simba toy ny vary amin’ny gony sy ny enta-madinika isan-karazany. Ny zava-dehibe aloa dia tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Efa eo ampanadihadiana ny mety ho nipoiran’ny afo moa ny PA Andranomanelatra.
ALEM