Tovolahy roa no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny paositry ny polisy ampefiloha ny alatsinainy 2 aprily tamin’ny 2 ora maraina noho ny resaka halatra moto. Raha ny fantatra dia telolahy izy ireo no nanosika moto iray teny amin’iny faritra Manarintsoa tamin’io fotoana io. Tamin’izany indrindra anefa no sendra ireo polisy nanao fisafoana izy telolahy ka nosakanana mba hahafantarana ny momba azy ireo. Nitsoaka avy hatrany anefa ny iray raha vao nahita ireto polisy nanatona. Nyiray tamin’izy telo lahy anefa avy dia nandositra raha vao nahita ireto polisy nanatona. Notanana avy hatrany ny roa ambiny antsoina hoe Koto sy Solofo ka nanontaniana mikasika ny antony nanosehany ilay moto sy ny taratasy mikasika izany. Teo moa dia namaly i Koto fa lany solika ilay moto ka voatery natosika. Rehefa nozahana ny taratasy mikasika ilay moto dia fantatra fa tsy misoratra amin’izy roalahy akory izany. Nentina avy hatrany teny amin’ny paositry ny polisy Ampefiloha izy ireo mba hanaovana famotorana. Karohina ankehitriny ny tompon’ilay moto izay fantatra araka ny famotorana fa monina eny Ankaraobato.
T.M.