- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Nitokona ny mpianatry ny oniversite, tapaka adiny valo ny RN7

Toliara : Nitokona ny mpianatry ny oniversite, tapaka adiny valo ny RN7

Niaka-pofona izay rehetra nampiasa ny lalam-pirenena fahafito, hiditra sy hivoaka ny tanànan’i Toliara ny alarobia teo, satria nosakanan’ireo mpianatry ny oniversite mitokona mitaky ny handoavana ny vatsim-pianaran’izy ireo 11 volana tsy voaloa, izay nidina an-dalambe ka nanao sakana/bazary tao Andatabo Toliara. Nandritra ny adiny valo, tsy azo nivezivezena ny RN7. Tsy nivaha ny sakana raha tsy tany amin’ny dimy ora hariva, taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny avy ao amin’ny « OMC faritra » sy ny tompon’andraikitry ny oniversite. Nisy ny fifampiresahana niendrika marimaritra iraisana taorian’ny fifanazavana. Tapaka tamin’izany fa vatsim-pianarana dimy volana no haloa, ka roa volana tamin’ny taom-pianarana 2012-2013 ary telo volana miampy fampitaovana ho an’ny taom-pianarana 2013-2014. Na teo aza ny marimaritra niraisana nitadiavam-bahaolana, dia nanambara ireto mpianatra mitokona ireto fa tsy hivaha mihitsy ny grevy eny Maninday, raha tsy voafaritra mazava ny tetiandro handoavana ny vatsim-pianarana notakian’izy ireo.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser