- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Mpangalatra scooter maty nodarohin’ny olona

Antanimena : Mpangalatra scooter maty nodarohin’ny olona

Fotoana fohy taorian’io dia namoy ny ainy ilay lehilahy
Fotoana fohy taorian’io dia namoy ny ainy ilay lehilahy

Tsy tany amin’ny faritra hafa intsony, toa izay nisesilany teo alohaloha teo, ny fitsaram-bahoaka no nitranga fa teto an-drenivohitra, tetsy Antanimena. Tokony ho tamin’ny mitataovovonana ny alarobia teo, lehilahy iray manodidina ny 30 taona no saron’ny olona teo am-panatontosana ny asaratsiny. Moto Scooter nipetraka teo amoron-dàlana no saika halainy, raha araka ny fitantaran’izay nanatri-maso. Efa novelominy ary nentina niala teo amin’ilay toerana no nisy nahatsikaritra tampoka. Raikitra ny fanenjahana azy ary tratra ihany ilay lehilahy rehefa nikoropaka loatra ka nidona tamin’ny kamiao. Noraisim-potsiny arak’izany. Tezitra mafy ny olona ka samy nanara-po nidaroka avokoa. Niala ny nifiny rehetra teo anoloana ary potika ny tarehiny. Izany rehetra izany dia ankoatry ny fahavoazana izay efa nanjo azy tamin’ny fianjerana teny ambony moto rehefa nidona tamin’ilay fiara vaventy. Nampandrenesina ny pôlisy ary tonga naka azy teo an-toerana. Nosintomina avy hatrany raha tsy izany maty tsy tsa-drano teo. Nentina teny amin’ny hopitaly kanefa teny an-dàlana dia niala ny ainy, raha araka ny fanampim-baovao azo. Ny andron’iny ihany dia namoy ny ainy izy ka naterina tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra. Ny fitsaram-bahoaka dia endrika iray izay manamarina hatrany ny tsy fihenan’ny fahatokisan’ny olona ny manam-pahefana. Hatreto anefa dia tsy mbola nisy ny fanentanana na fomba iray mba hiadiana amin’io. Toa mainka aza mampirisika ny olona ny fahitàna ireo olona izay tsy mahavita sazy akory dia efa miriaria miverina eny anivon’ny fiaraha-monina. Mbola lavitra ny ezaka raha tsy misy ny finiavana hiady amin’ny kolikoly…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser