Avy any Toamasina no niavian’ireo entana marobe rehefa nandeha ny fanadihadian’ny pôlisy. Voatery nosamborina ny lehilahy iray izay monina etsy Ambohimitsinjo, noho ny fitazonana tsy misy taratasy ireo « bouteilles de gaz » 111. Avy amin’olon-tsotra no nahazoan’ny mpanao fanadihadiana ny zava-misy. Hatreto dia ahiana ho entana halatra tany Toamasina no nalefa hamidy aty Andrenivohitra amin’ny vidiny 30.000 ka hatramin’ny 60.000 ariary. Fitazonana sy fivarotana entana halatra no antony hitazonana sy nanokafana fanadihadiana ilay lehilahy. Miasa anaty tambajotra tanteraka izy sy ny namany. Misy ny mpamoaka ny entana avy any Toamasina fotsiny ary misy koa ny mpitatitra izany eto Andrenivohitra. Rehefa tonga eto Tanà izany dia io lehilahy izay voasambotra io no mikirakira ny fanafenana sy fivarotana ny entana. Mazava hoazy, fa mety hiitatra lavidavitra ity raharaha ity rehefa mandeha ny fanadihadiana, satria mbola vao io lehilahy io aloha no voasambotra. Ny namany rehetra dia tsy maintsy hokarohina amin’ny fisian’ny tambajotra ao anatin’ity raharaha ity. Betsaka ny miketrika ankehitriny ary ny mampalahelo, dia lasa any amin’ny ratsy hatrany no tena hianjadian’ny asasain’ny olona. Hatrany anaty Parlemanta io…
D.R