Tena fahoriana ho an’ireo tovovavy Malagasy nalefa niasa any Koweit ny zava-misy iainan’izy ireo any an-toerana; rah any loharanom-baovao mari-pototra voaray avy amin’ireo tovovavy mba manana mpamiasa azy manaja ny zon’olombelona dia nitranga fahafatesana tovovavy Malagasy iray indray tany an-toerana ny 14 martsa teo. Ramatoakely Ralaimanga Blandine 30 taona ity namoy ny ainy ity; rah any fanazavana roa samy hafa azo avy any an-toerana dia toa hoe namono tena nihinana fanafody nihoatra ny tokony ho izy no nahafaty azy noho tsy fahazakana ny vono sy tsy fanajana ny zon’olombelona mahazo amin’ny mpampiasa azy, ny loharanom-baovao faha-02 kosa milaza fa niniana nomena fanafody mba hahafaty azy ity tovovavy Malagasy ity saingy tao amin’ny hopitaly Farawaniya izy vao maty taorian’izay ary mbola ao amin’ny tranom-patin’ity hopitaly ity ny fatiny hatramin’izao. Miandry ny fikarakarana ny fianakaviany ny antontan-taratasy rehetra mikasika azy ny hopitaly dia handefa azy hody an-tanindrazana, saingy tsy hita ny mpampiasa azy nefa amin’ity mpampiasa azy ity avokoa ny antontan-taratasy rehetra mikasika azy, izay fanaon’ireo mpampiasa any Koweit ny maka izany raha tonga any an-toerana miasa ireto tovovavy Malagasy ireto. Ankilan’izay dia tena manontany tena ireto tovovavy Malagasy mba hany manana mpampiasa manaja ny zon’olombelona any Koweit ireto, fa mbola maro ireo tovovavy Malagasy hitan’izy ireo tonga any an-toerana mitady asa, nefa efa maro be ihany ireo tovovavy efa maty sy marary saina ary migadra any an-toerana noho ireo mpampiasa ratsy fanahy iasan’ny ankamaroan’izy ireo. Midika izany fa mbola mitohy ihany ny fanondranana olona an-tsokosoko makany Koweit eto amintsika izay tsy azo inoana hoe tsy fantatry ny fanjakana sy ny minisiteran’ny asa sy asam-panjakana, ary ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ny vehivavy ary ny ankizy ny fisiany. Raha ireo zava-misy izao hoy ireto tovovavy any Koweit manana mpampiasa manaja ny zo maha-olona ireto dia ho maro indray ato ho ato ny tovovavy Malagasy ho faty sy higadra ary harary saina any an-toerana.
Malala Didier