Telo ireo mpisandoka no tratra ary samy manana karatra hosoka avokoa
Vehivavy iray sy lehilahy roa no fantatra fa nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny BC 4 noho ny resaka fisolokiana. Ilay ramatoa dia nisandoka ho “commissaire de police” ary ireo roalahy namany nahitana karatra zandary. Herinandro maro lasa izay, nisy vazaha voasaolokin’olona ary very ny entana maro tao aminy. Nametraka fitoriana ity teratany vahiny ity. Taty aoriana, nihaona tamina vehivavy iray izy ary ity farany ity dia nitonona taminy fa “commissaire de police”. Nandeha ny resaka ary nilaza ilay ramatoa fa afaka manampy azy amin’ny famerenana ny entany sy ny fisamborana ilay nisoloky azy. Raikitra tamin’izay fotoana izay fa omena vola 1 600 000 ariary ilay vehivavy. Dia nandeha teny ny fotoana. Ny alatsinainy faha-4 aprily, niantso an’ilay teratany vahiny indray ilay mpisandoka ho polisy ary nangataka fihaoanana taminy. Mahana anefa ilay vazaha ka nampandre ny mpitandro filaminana. Natao ny vela-pandrika ary nomena fotoana tao amina hotely lehibe iray eto an-drenivohitra ilay vehivavy. Tsy nisy dinika fa avy hatrany dia nosamborina tao izy niaraka tamina lehilahy roa voalaza fa mpiray tsikombakomba taminy. Rehefa nosavaina izy telo ireo dia nahatratrarana karatra polisy sandoka tany amin’ilay ramatoa antsoina hoe R. Marie Nadia milaza fa “inspecteur” sy “agent secret” izy. Ireo roalahy kosa, T. H. Nisainana sy A. T.M.Nasandratra dia nanana karatra zandary sandoka. Rehefa vita ny fanadihadiana azy ireo dia samy niaiky ny asa ratsy nataony izy ireo. Tamin’ny alarobia no natolotra ny Fampanoavana izy telo ireo.
Nangonin’I r.s.