Tontosa ny Sabotsy lasa teo, ny famindran’asa teo amin’ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel, kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena teo aloha izay handeha hisotro ronono sy ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, izay vao voatendry hisahana izany andraikitra izany. Nandritra izany lanonana izany, dia nisy ny fanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta ireo antontan-taratasy mahakasika ny asa ary nisy koa ny lahateny izay nifandimbiasana taorian’izany. Nandritra izany no nampahatsiahivan’ny Jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel, fa nisy ny ezaka goavana natao nandritra ny taona niasany nanatsarana ny fomba fiasa indrindra tamin’ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny ZP ka efa nahitam-bokatra izany hoy izy raha tsy hitanisa afa-tsy ny fifaninanana fandraisana mpianatra ho zandary izay nadio tanteraka. Tamin’ny fandraisany fitenena kosa, ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, dia nanamafy ny fahavononany tanteraka hanatontosa ny adidy sy andraikitra lehibe nankinina aminy ary mbola nanome toky fa hanao izay tratry ny heriny sy hametraka vina sy paikady hoentina hanatsarana hatrany ny ZP. Nanambara izy, noho izany, fa hanohy ireo ezaka vitan’ny teo aloha ary hanatsara kokoa izany aza, satria mbola betsaka, hoy hatrany izy, ny asa miandry. Ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa moa dia nivoaka avy tao amin’ny andiany faha-16 tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe, efa nanaraka fiofanana ambony maro na amin’ny maha-zandary azy na amin’ny maha-miaramila azy koa satria, efa niofana tany amin’ny sekolin’ny manamboninahitra zandary tany Frantsa Melun izy nanao ny Cours supérieur de gendarmerie ka sady nahazo ny “Diplôme universitaire de droit et science criminelle”
T.M.