- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Lehilahy nahatrarana vola sandoka 8,18 tapitrisa ariary

Moramanga : Lehilahy nahatrarana vola sandoka 8,18 tapitrisa ariary

Vola sandoka miisa 818 nalain-tahaka tamin’ny 10 000 ariary vaovao (8,18 tapitrisa ariary) no tra-tehaky ny Zandarimariam-pirenena tao Andaingo, distrika Moramanga, faritra Alaotra-Mangoro ny 5 aprily 2018 tamin’ny 2 ora sy sasany antoandro tamina lehilahy iray 54 taona. Raha teo am-panaovana fisafoana amin’ny antoandro ny zandary tany an-toerana ka nandalo teo amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy dia lehilahy iray saika handray fiara ho any Moramanga no hita avy hatrany fa mahimahina ka saika hiataka rehefa nahita ny fandalovan’izy ireo. Raha vao nahita izany fihetsika izany anefa ireo zandary dia nanapa-kevitra ny hisava azy ka nasaina novoahainy ilay kitapo teny aminy. Tratra tao anatin’izany ny vola maromaro vaovao be amin’ny 10 000 ariary. rehefa nasaina navoakany ny iray tamin’izany mba hozahana dia hita fa sandoka ka notanana avy hatrany io lehilahy io ary nentina tany amin’ny birao. Nozahana tsirairay ireo vola izay miisa 818 ka hita fa sandoka avokoa ka nogiazana. Hatolotra ny fampanoavana any Moramanga izy io aorian’ny famotorana azy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici