Taorian’ny famotorana sy fitazonan’ny mpitandro filaminana vonjimaika an’ilay rangahy iray 50 taona voarohirohy ho nanambady omby, dia natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha omaly ity raim-pianakaviana manambady aman-janaka nisy nitory ity. Araka ny tati-baovao voaray, dia voalaza fa isaky ny mamo ity lehilahy lehibe efa manan-jafy ity, dia manao firaisana ara-nofo amin’ny omby foana, ary efa tra-tehaka intelo. Leom-boanana sy tofoka amin’ny fomba ratsy mamohetra ataon’Ingahibe ny olona teo an-tanàna, ka nitory azy. Ny anton’ny fitoriana dia hoe : « acte impudique ou contre nature ». Rehefa nohenoina moa ilay voatory (misôma ratsy amin’ny omby midekadeka ), dia nitsipaka ny fiampangana azy. Na ny Polisy nandray an-tanana ny raharaha aza sandaikatra « tafitokiky », satria mahalana/vitsy ny trangam-pitoriana tahaka izao, hoy ny loharanom-baovao.
Eric Manitrisa