- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimbary Maevatanàna : Taolam-paty iray gony sy vatam-pe iray no hita tao...

Antanimbary Maevatanàna : Taolam-paty iray gony sy vatam-pe iray no hita tao ambadiky ny trano.

Taolam-paty iray gony sy vatam-pe iray no hitan’ny lehilahy iray nandeha nivoaka, tao amin’ny fokontany sy kaominina Antanimbary, disitrikan’i Maevatanàna, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora maraina. Araka ny fanazavana azo avy any an-toerana, dia  tao ambadiky ny trano iray no nanafenana izany. Nisaina teo imason’ny ben’ny tanàna sy ny sefom-pokontany ary teo anatrehan’ny fokonolona, ny mpitandro ny filaminana, ny manampahefana tany an-toerana ireo taolana ireo, niaraka tamin’ilay vatam-pe mbola misy hoditra. Hita tamin’izany ny taolan-dava maromaro miampy tamin’ny taolana madinidinika maromaro. Araka ny fampitam-baovao hatrany, dia razana manodidina ny folo eo no nakana ireo taolana ireo. Ny teny amin’ny manodidina anefa dia tsy naharesana vaky fasana hatreto. Heverina , araka izany, fa tany an-toerana-kafa no nakana ireo ary mety nitadiavana mpividy dia izao hitan’ny fokonolona izao. Nalevina ireo taolana sy ilay vatam-pe taorian’ny fanadihadiana. Manoloana izany dia mihorohoro tanteraka ny mponina satria efa eo an-tampon-tanàna mihitsy no misy toe-javatra tahaka izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici