- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBetafo : Vahoaka maro be nitokona tao amin’ny tobin’ny zandary

Betafo : Vahoaka maro be nitokona tao amin’ny tobin’ny zandary

Vahoaka maro be no tonga tao amin’ny tobin’ny zandary ao Betafo, omaly Talata. Nitokona tsy nety niala tao izy ireo, nitaky ny hamoahana olona iray nambaran’izy ireo fa tompon’antoka tamina fahaverezana omby maro tao Ambatonikolahy sy hamerenana ilay omby very any amin’ny tompony. Voarohirohy tamina  halatr’omby ny lehilahy  iray antsoina oe Jofa niaraka taminy vadiny,taorian’ny fanadihadian’ny zandary anefa dia tsy nety nandray ny raharahara ny teo anivon’ny fampanoavana noho ny volaza fa  tsy fahampian’ny vesatra hiampangana azy. Raha ny angom-baovao teny an-toerana, tsy manana omby i Jofa na iray aza nefa nahagaga ny fokonolona ny nahitana omby iray niditra tao aminy,ny 9 martsa lasa teo. Ity lehilahy ity izay efa arahin’ny fokonolona maso akaiky noho ny  halatr’omby mateti-pitranga . Herinandro taty aoriana, tsy tazana tao aminy intsony io omby io ka nanaovan’ny fokonolona fanadihadiana. Fantatra ary fa ombin’olona very tao Masiniloharano kaominina Antanimandry Distrika Antsirabe II io omby tao amin’i Jofa io. Nitohy ny fanadihadiana ka hitan’ny fokonolona tao amina olona iray tao Tsarahasina distrika Antsirabe II ilay omby. Niverina ny fokonolona nizaha izay mety ho tompony ka i Jofa sy ny vadiny no tratra am-bodiomby nitaky ny ambim-bola vidin’omby sy nikasa hamboatra taratasy fifamarotana.  Norasin’ny zandary an-tanana ny raharaha ka io niteraka sakoroka io, satria navotsotry ny fampanoavana ny lehilahy. Tezitra ny fokonolona ka tonga maro be tao amin’ny toby, ny avy amin’ny kaominina Ambatonikolahy nitaky fitsaram-bahoaka an’i Jofa,  raha toa ka nitaky ny hamerenana ny ombiny kosa ny avy ao Masiniloharano kaominina Antanimandry. Taorian’ny fifampiresahana ora maro anefa dia niravona ihany raharaha ka miandry ny fampiakarana ny raharaha anio eto Antsirabe. Tsy vao sambany no nitroatra toy izao ny mponina avy ao amin’ny kaominina Betafo, noho ny tranga toy izao fa vao tsy ela akory izay no nisiana sakoroka teo amin’ny fitsarana. Tantara mitohy…..

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici