Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany omaly, talanjona ny olona raha nahita ireo polisy nandeha fiara tsy mataho-dàlana ary nidina an-tsehatra teo amin’ny « gare routière » etsy Andohatapenaka. Mpivady avy any Bealalana no nalain’izy ireo teo an-toerana ary nentina avy hatrany teny anivon’ny SUT (Sécurité Urbaine de Tana), sampana iray ao amin’ny kaomisaria foibe. Ny antony nisamborana azy mivady, dia ny fitondran’izy ireo vola tamin’ny gony izay mitentina 120 tapitrisa ariary. Azon’ny polisy mialoha ny vaovao momba izany ka nahatonga azy ireo mialoha teny an-toerana ary naka fotsiny ireo olona roa. Rehefa voamarina fa vola izay hividianana « panneau solaire » izany dia navotsotra izy roa. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, tsy mahazo mivezivezy miaraka amin’ny fananany intsony koa izany ny olom-pirenena ? Ekena fa any amin’ny banky, dia mila fantarina ny niavian’ny vola izay kirakiraina ao raha vao manomboka eo amin’ny 10 tapitrisa ariary. Kivazivazy no nilazan’ny olona fa tsy misy afa-tsy ny olom-boafidy sasany sy ny manam-pahefana izany sisa no afaka mitondra volabe eto amin’ny firenena. Sangisangy zary tenany izay toa mitombina tokoa. Raha ny momba azy mivady indray, dia mpivarotra ny asany ary noho ny tsy fisian’ny banky azo ametrahana ny vola any amin’ny toerana misy azy, dia afenin’izy ireo izany ny vola. Amin’ny fotoana izay mba hiakarany aty Andrenivohitra ka hiantsenany vao avoakany izany ary entiny miakatra hividianany izay hilàny azy. Nisy ny naharaka izany ka nampandre ny mpitandro ny filaminana izay nanao ny fisamborana mba ho fanamarinana avy hatrany. Hatreto, dia tsy misy ny lalàna izay mametra ny vola mivezivezy, toa ny olona izay mivezivezy ihany koa. Zo fototra aza raha ny tena marina ny fahazoana mivezivezy eto amin’ny tany sy ny firenena ary izany dia rehefa tsy miteraka tsy fanarahan-dalàna fotsiny ihany. Amin’ny lafiny iray koa dia toa mampanontany tena ihany hoe mahafantatra fofom-bola angaha ny mpitandro ny filaminana no nahafantaran’izy ireo fa misy an-jatony tapitrisa miriaria eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse ?
D.R