Tokony ho tamin’ny iray ora maraina, ny talata teo, ny jiolahy no tonga nandroba ny tranon’ny mpanamory fiaramanidina iray monina etsy Ambohidratrimo. Lasa ny solosaina sy ny vilany. Vaky trano, araka izany, ny zava-nitranga. Saingy tsy vaky trano tsotra fa mbola niharo fanafihana mitam-piadiana koa. Dimy lahy no nanatontosa izany ary samy nanao saron-tava sy nitondra fitaovam-piadiana. Soa fa mba tsy tao ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Ny mpiambina ny tanàna no voadaroka tao ary naratra. Rehefa tsy afaka niaro ny tenany sy ny trano intsony io dia niditra tao anatiny tamin’izay izy dimy lahy. Mazava ho azy fa nanintona azy ireo ny maha mpanamory ny tompon’ny trano. Noheveriny angamba fa misy volabe sy fitaovana marobe azo bataim-potsiny tao. Tetsy andanin’izany, rehefa misy ny fanaovana saron-tava amin’ny fanafihana mitranga dia matetika olom-patatry ny tompon-trano ihany no mahavanon-doza. Ny borigady Ambohidratrimo no nanokatra ny fanadihadiana ary inoana fa hijery akaiky izay lafiny izay ny zandary. Nisesy izay ny herisetra sy ny fanafihana tamin’ity herinandro ity. Tao ny fanendahana, izay sady nisy fikasàna hamono olona, toy izay nihatra tamin’ny mpiasan’ny haino aman-jery iray. Tao koa ny fandratràna mpanao pôlitika, toy izay nihatra tamin’ny filohan’ny antoko mpanohitra iray (jereo lahatsoratra etsy ankila) ary ny farany dia ny vaky trano izay nandratràna olona toa ity voatantara etsy ambony ity. Mifandraika indrindra tamin’ny fivorian’ireo tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana momba ny famerenana ny fandriam-pahalemana ireo tranga vitsivitsy ireo ary inoana fa hahazo ny valiny mahafa-po ny olona,izay mipenimpenina lava noho ny afitsoky ny jiolahy eto an-drenivohitra. Toraka izany ihany koa ny any ambanivohitra izay mampirodana tanteraka ny asa fihariana noho ny asan-dahalo tsy an-kijanona. Mba tsy ho fivoariana ambony latabatra fotsiny hatrany anie…
D.R