- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversIhosy : Fiara 4x4 nifatratra tamin'ny Taksiborosy Sprinter, mpandeha roa maty tsy...

Ihosy : Fiara 4×4 nifatratra tamin’ny Taksiborosy Sprinter, mpandeha roa maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina namoizana ain’olona indray tamin’ny RN7 iny, afak’omaly tolakandro tokony ho tamin’ny telo ora, tao AmbatombeIsalo any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Ranohira, Distrikan’ Ihosy. Fiara Sprinter iray miloko manga nitondra mpianatry ny sekoly Sacré-coeur Tsianaloka Toliara avy nanao dia fibeazana (voyage d’études) tany Antsirabe sy Ranomafana Ifanadiana no niharan-doza. Olona roa no indray niara-maty dia tovovavy mpianatra iray sy ny mpamily ny fiara. 20 hafa naratra mafy nihosin-drà, ka ny efatra amin’ireo amin’izao dia mbola miady amin’ny fahafatesana  manaraka fitsaboana ao Toliara. Omaly naraina no tonga tao Toliara ny razana ary efa noraisin’ny fianakaviany. Raha ny tati-baovao voaray, dia nisy fiara 4×4 “Touareg grise” iray nandeha mafy be nianavaratra ka avy hatrany dia nifatratra tany amin’ity taksiborosy nitondra mpianatra nitodi-doha nianatsimo hihazo ny tanànan’i Toliara ity. Nivadibadika ilay Sprinter ka tany an-kady vao tafajanona. Noho ny dona mafy dia potika avokoa ny lohan’ireto fiara roa nifadona.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici