Zava-doza indray no nitranga teto Antsirabe, zaza tsy manan-tsiny vao telo sy tapany monja no niharan’ny fanolanana tao Andrangy Antsirabe. Tao amin’ny tanana antsoina hoe Fananana no nitrangan’ity resaka fanolanana zazakely ity, toerana manodidina an’ Andrangy, tanana somary efa mihataka ny renivohitra ihany. Bandy kely 15 taona no nahavanon-doza, fantatra fa mpiasa ao amin’ilay trano ihany io bandy kely io ary vao iray volana monja no niasany raha ny fanazavana voaray. Miasa an-trano sy manatitra ary maka ilay zaza mianatra no asany, rehefa izy irahina mivoaka iny no miaraka amin’ireo namany izy ary mananararaotra mijery “film porno” amin’ny finday. Nampihariny tamin’ilay zazavavy kely anefa ny filandratsiny sy ny zavatra hitany tao amin’ilay horonan-tsary mamoafady. Nampandro ilay zanany ilay ramatoa reniny no nahita rà tamin’ny silimpon’ilay zaza. Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nitantara ny nanaovan’ilay bandy kely mpitaiza azy. Nohamarinina tany amin’ny mpitsabo ilay zaza ary voalaza va efa simba tokoa ny fivaviany. Tsy nandà ny habibiana raha teo ilay mpanampy fa niaiky ny heloka vitany. Fantatra fa tsy latsaky ny in-telo no efa nanaovany izany tamin’ilay zazavavikely. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao.
Andry N.