- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny an’i Kalidas : Mpiambina iray nadoboka eny Tsiafahy

Fakana an-keriny an’i Kalidas : Mpiambina iray nadoboka eny Tsiafahy

Mpiambina ny tranombarotra Kalidas iray no nadoboka eny Tsiafahy. Ity farany dia voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny ny tompon’ity tranombarotra ity. Araka ny fanazavàna nomen’ny pôlisy dia afak’omaly no voasambotra teny Analakely ity tovolahy ity. Taorian’ilay trangana fakàna an-keriny nitranga teny Antanimena, ny tapaky ny volana febroary iny tokoa mantsy dia efa nisy olona voasambotra. Tao anatin’izany fanadihadiana izany no niverimberina matetika ny anaran’ity tovolahy mpiambina ilay tranombarotra ity. « Natao ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika ka tra tehaka tao Analakely ity farany. Tamin’ny fisavana ny tranony teny Ambohimalaza dia nahatratrarana fitaovana toy ny « matraque éléctrique » sy « poignard ». Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fitsarana ary notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy », hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Marihana efa votsotra ity teratany karàna ity saingy mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ireo nahavanon-doza tao ambadik’izany fakàna an-keriny izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici