- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVoalaza fa nanolana : Notapahana ny filahian’ilay zazalahy kely

Voalaza fa nanolana : Notapahana ny filahian’ilay zazalahy kely

Tendrom-po tsy namana ! Tonga tamin’ny fanaovana ny tsy fanao ny fianakavian’ity zazavavikely voalaza fa nisy nanolana. Ankizilahy iray, 14 taona, izay taizan’izy ireo tao ihany no voatondro sy noahiahian’izy ireo ho nahavita izany zavatra izany. Hany ka tsy nahatsindry fo intsony ny rain’ity zazavavy ka nanampatra ny hatezerany tamin’ilay ankizilahy. Notapahiny avy hatrany ny mahalehilahy an’ity ankizikely. Ny herinandro lasa teo no nisehoan’ity tranga ity teny amin’iny faritra Itaosy iny.

Araka ny fanazavàna nomen’ny pôlisy dia ny voalohandohan’ny volana teo no tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny sampan’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona teny Tsaralalana, ny renim-pianakavina iray, “izay nilaza fa naolan’ny zazalahy kely 14 taona taizany ny zanany vavy 4 taona. Ilay ankizilahy nolazainy fa nanolana anefa tamin’io fotoana io, raha araka ny filazany, mbola tany Ambatondrazaka niaraka tamin’ny rain’ilay zaza voaolana ». Nisy avy hatrany teo ny fanadihadiana nataon’ireto pôlisy ireto ary voamarina tokoa fa niharan’ny fanolanana ilay zaza. «saingy mbola tsy fantatra kosa ny olona nanao izany » hoy izy ireo. Herinandro taorian’io dia nametraka fitoriana ihany koa ny rain’ilay zazalahy voalaza fa nanolana an’ilay ankizivavy kely. Tamin’io fotoana io indray no nolazain’ity farany fa niharan’ny herisetra izy mianaka.

Raha ny zava-nitranga tamin’izay fotoana izay mantsy, araka ny fanazavàna hatrany, dia efa nandrasan’ireto fianakavian’ilay zazavavikely izy mianaka. Tao an-trano tamin’io fotoana io ny rain’ilay zazavavy sy ny anadahin’ny vadiny, izay mpitandro filaminana, raha ny tatitra. Azo heverina fa niakatra teo ny mari-pana tamin’ny fifamaliana ka tsy nahatsindry fo intsony ireto fianakavian’ilay ankizivavy ka nampiasa herisetra tamin’izy mianaka lehilahy. « Ilay zazalahy kely naboridana avy eo dia natsongolika ary nisy ny nanindry ny tratrany avy eo dia notapahan’ny rain’ilay zazavavy tamin’ny antsy teo imason’ny rain’ilay zazalahy ny mahalehilahy ny zanany lahy . Ilay mpitandro ny filaminana kosa etsy ankilany manambana basy sy miambina ilay rain-jaza voalaza fa nanolana mba tsy hiantso vonjy ». Nijininika ny rà. Navelan’izy ireo nentina tany amin’ny hôpitaly ihany ity zazalahy notsaboina, kanefa hoy ny vaovao, « tena sahirana tokoa ny fianakaviany ». Niditra an-tsehatra tamin’ny fitsaboana araka izany ny tao amin’ity sampan-draharahan’ny pôlisy ity, niaraka tamin’ny Unicef, sy ny teo anivon’ny Direction Régional de la Population Analamanga entina hitsaboina ilay zazalahy kely entina hanavotana ny ainy. Nosamborina kosa ireto ireo roalahy, ilay rain’ilay zazavavy sy ilay mpitandro filaminana ary natolotra ny Fampanoavana omaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici