- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversBealalana : Lavanila 15 taonina isan-taona no misy mangalatra

Bealalana : Lavanila 15 taonina isan-taona no misy mangalatra

Mitaraina ireo tantsaha mpamokatra lavanila ao amin’ny distrikan’i Bealalana, fa mirongatra tato ho ato, ny halatra lavanila manta. Fantatra ihany koa, araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, fa samihafa ny fotoana fanokafana ny fivarotana ny lavanila any amin’ireo kaominin’i Bealalana, noho ny maha samihafana ny  toetry ny andro sy ny toe-tany misy any. Ny akaiky indrindra, dia amin’ny faran’ny volana mey izao. Araka ny voalazan’ny filohan’ny “plate-forme vanille” any Bealalana, dia mahatratra eo amin’ny 40 taonina isan-taona ny vokatry ny lavanila any an-toerana. Ary mahatratra eo amin’ny 15 taona isan-taona ny lavanila manta sy simba vokatry ny hasomparana ataon’ireo mpangalatra ireo. Efa nahitana vokatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny “platefore lavanila”-n’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpitandro ny filamina, amin’ny ady atao momba ny halatra  lavanila manta.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici