- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSakaraha : Maty nofirain-drangahy ny vadiny noho ny vola

Sakaraha : Maty nofirain-drangahy ny vadiny noho ny vola

Nitrangana vono olona  indray tany Sakaraha, afak’omaly alina. Raha ny fantatra, dia disadisa ara-bola teo amin’ny mpivady efa mpiady  lava no niafara tamin’ny vono olona. Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava ny kotaba sy adin’ireto mpivady, fa nofirafirain-drangahy nentin-katezerana tamin’ny antsy lava teo amin’ny tendany sy ny sandriny havanana ary  nanandrify ny lamosiny ramatoa, ka nihijitra eran’ny trano ny rà. Nikiakiaka mafy niantso vonjy ity  renim-pianakaviana niharan’ny vono ity, ka io no nanaitra ny mpiara-monina. Noho ny tahotra ny hatezeram-bahoaka dia vaky nandositra kosa ilay lehilahy nahavanon-doza, ka mbola karohina fatratra amin’izao. Nifamonjena haingana namonjy hopitaly kosa ity vehivavy niharam-boina, kanefa  teny an-dalana dia tapitra ny ainy noho ny fahavezeran-drà be loatra,  hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici