- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Nikorontana ny iray taxi-be, tratram-badiny nampirafy ny mpamily

Tsaralalàna : Nikorontana ny iray taxi-be, tratram-badiny nampirafy ny mpamily

Nitangorona ny olona nijery ny zava-nisy (sary nindramina)

Vaky hatramin’ny fitaratr’ilay fiara fitaterana. Izany no vokatry ny fahatezeran’ny ramatoa iray izay tompom-bady. Ny vadiny kosa indray dia ny mpamily ilay taxi-be ary tratrany tanteraka niaraka tamin’ny rafivaviny ; izay tsy taiza fa tao anatin’ilay fiara ihany. Nosakan-dramatoa avy hatrany ilay taxi-be. Tsy afa-niala rahateo satria tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana tamin’io fotoana io. Daroka avy hatrany no nahazo ilay raim-pianakaviana ary izany rehetra izany, dia teo imason’ny mpandeha rehetran’ilay fiara fitaterana. Ilay vehivavy iray kosa, izany hoe ilay rafivavy, niala tsimoramora tao anaty fiara ary rifatra nitsoaka namonjy ny ainy nony avy teo. Tokony ho tamin’ny folo ora maraina no nitranga izany, omaly, tetsy Tsaralalàna ary tao anatin’ny fotoana naha-betsaka ny mpampiasa làlana sy ny olona mivezivezy teo an-toerana mihitsy. Tsy vitan’ny fikasihan-tànana no nanjo ilay mpamily, mbola nopotehin-dramatoa koa ny fiara. Ny fitaratra avy aoriana no vaky vokatr’izany. Tsy nisy na inona na inona azon’ny mpandeha natao, satria adin’ny mpivady no nitranga. Talanjona rahateo ireo, satria tranga izay mbola tsy nisy no hitan’izy ireo mivantana, toy ireny amin’ ny sarimihetsika ireny. Tsy ny mpandeha irery ihany no variana fa ny olona izay nivezivezy teo amin’ny arabe, dia nitangorona koa ary nijery ny zava-nisy. Tapaka hatramin’ny làlana ary ny mpanjifa tao amin’ny taxi-be dia nanaja tena niala tsimoramora teo an-toerana, satria fantatra fa mbola hifandrohirohy izy mivady ary mbola ho lava ny tantara. Tsy mitsahatry ny misy trangam-piarahamonina hafahafa eto Andrenivohitra isan’andro ary mampanontany tena hoe : « ny fahantrana ve no mampirodana tsikelikely ny olona any anaty firodanana ara-toe-tsaina sy fitiavana korontana ? »

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici