Tokony ho tamin’ny 01ora sy sasany maraina, ny talata alina nifoha ny alarobia teo, dia naharay antso ny polisin’ny FIP Toamasina fa misy andian’olona mikasa hangalatra ny tambajotran-jiron’ny Jirama miainga ao Volobe Toamasina II amin’I Toamasina renivohitra. Avy hatrany dia niezaka nanenjika azy ireo ny ekipan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, saingy noho ny andro alina sy maizin-kitroka dia tafaporitsaka ireto andian’olona am-polony nikasa hangalatra taribin’ny Jirama ireto, izay hanaovan’ny kaomisera Razafindahy Manitra antsoavo amin’ireo andrimasom-pokonolona amin’ireo kaominina sy ireo fokontany andalovan’ny taribin’nyJirama Volobe – Toamasina I, mba hiara-kiasa akaiky amin’izyireo hisorohana ny fahavoazana hateraky ny halatra amin’ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny fiverenan’ny delestazy indray eto Toamasina. Ankoatra izay dia niantso vonjy tamin’ny polisin’ ny FIP ihany koa ireo mponina ao Mangarivotra atsimo, amin’ny fokontany misy ny toeram-pitsaboan’ny seranan-tsambo hatrany amin’ny sampanan’ny fiangonana FAK, fa vao manomboka amin’ny 04ora tolakandro mandra-maraina dia anjakan’ny andian-jiolahy mandeha andiany efatra na dimy ny tananan’izy ireo. Tsy mifidy endahina sy hanaovana sinto-mahery intsony ireto andian-jiolahy ireto. Nisy noho izany nyvela-pandrika nataon’ny ekipan’ny FIP tamin’izany, ny talata teo, ka mpanedaka roalahy: ingahy isany Sergio, 17 taona, sy Francklin, 18 taona, zatra ny lalan-dririnina, no tratran’izy ireo ambodiomby teo am-panendahana. Tratra tany amin’izy roalahy ireto ny antsy lava lela sy rongony anaty fonosana, ary poketran’olona avy nendahan’izy ireo izaynahitana “carte bancaire” iray. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany, raha efa miandry ny fitsarana azy am-ponja kosa izy roa lahy efa tratra.
m.l