- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndasibe : Telolahy nisandoka ho Zandary sy Miaramila, naiditra am-ponja vonjimaika

Andasibe : Telolahy nisandoka ho Zandary sy Miaramila, naiditra am-ponja vonjimaika

Rehefa avy natolotra ny Fitsarana tao Moramanga ny zoma teo ireo telolahy mpandroba (23, 24 ary 31 taona) izay nanao fanamiana mpitandro filaminana nisandoka ho Zandary sy Miaramila, voasambotry ny Zandarin’ Andasibe ny alakamisy teo, tao an-tanànan’i Sahavoana, any amin’ny Fokontany Amparafara, Kaominina Ampasimpotsy Gare, Distrikan’ i Moramanga, dia naiditra am-ponja vonjimaika. Alohan’ny hanao ny asa ratsiny ireo jiolahy, dia manao fanamiana mpitandro filaminana ary miaraka amin’ny basy plastika sy karatra sandoka maha-Zandary sy Miaramila izy ireo, hany ka sarotra amin’ny mponina any ambanivohitra ny manavaka ireo olon-dratsy amin’ny tena izy. Miditra amina tokantrano ireo mpisoloky, ary manao an-tery sy mandrahona ny tompon-trano ny hanomezana vola azy ireo. Noho ity tranga tsy fahita ity, dia mailo ny mponina ka nampilaza avy hatrany ny Zandary tao Andasibe. Rehefa nohamarinina dia tsy nisy mpitandro filaminana nalefa namita iraka ao Sahavoana, ka nidina ifotony avy hatrany nijery ny toe-draharaha ireo Zandary nahazo baiko. Voasambotra tsy afa-niala intsony teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto mpisandoka. Nandritra ny famotorana dia niaiky ny helony ireo jiolahy, ary nilaza fa tany Manjakandriana no nakana ny ankanjona Miaramila iray efa tsy am-perinasa intsony, raha toa ka nalain’ny zaodahiny an-tsokosoko kosa ny fanamiana hafa izay akanjona Zandary efa misotro ronono. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana nandray an-tanana ny raharaha, dia efa nahavita raharaha miaramila (service militaire) ny roa tamin’izy telolahy tra-tehaka ireto.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici