Lehilahy iray tokony ho 48 taona avy any Vangaindrano monina ao Tanambao Verrerie P/elle 21/71 Toamasina renivohitra, no may kila samirery tao an-tranony ny sabotsy 14 aprily teo tokony tamin’ny 06 ora maraina, fotoana nahitan’ny fokonolona azy. Raha ny fitantaran’ny mponina dia nilaza ho nahita devoly ity rangahy 48 taona ity ny alin’ny zoma 13 aprily nifoha ny sabotsy 14 aprily tokony misasak’alina. Naka vy nanenjehana azy ilay lehilahy nandritra izany, ka nahagaga ireo mponina manodidina azy. Tao anatin’izay anefa dia tsy ilay devoly no voan’ny vely vy nataony fa ny loham-badiny izay naratra mafy, ka ireo fokonolona no nitondra an’ity ramatoa ity namonjy ny toeram-pitsaboana tao Morarano. Taorian’ny fitsaboana azy dia tsy nahiana intsony ny ainy na tena mafy aza ny fahavoazaa nahazo an’ity ramatoa ity. Nandritra izay anefa dia mbola nifanenjika tamin’ity devoly nambarany ho manelingelina azy ilay rangahy. Ny marainan’ny sabotsy tamin’ny 06ora maraina, satria mbola variana nitsabo sy niambina ilay ramatoa vadiny teny amin’ny toeram-pitsaboana ny mponina manodidina azy ireo, dia nahatsikaritra setroka be nivoaka tao amin’ny tranon’ilay rangahy nilaza fa mifanenjika amin’ny devoly ny fokonolona. Efa niredareda be ny afo fotoana fohy taorian’ny nahitan’ny fokonolona azy ka na niezaka nanavotra ilay rangahy tao an-trano aza izy ireo dia efa tsy avotra intsony ny tenany. Niniana natao izao afo izao, hoy ny mponina, ka ilay lehilahy antsoina hoe Kaka ihany no nanao azy noho ity resaka devoly hitany ity. Talohan’izao tranga rehetra izao anefa dia mbola hitan’ny olona nisasa teo ivelan’ny tranony i Kaka, izay docker teo aloha teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity. Fantatra ihany koa fa matetika milaza mahita devoly manenjika sy manelingelina azy foana ity lehilahy ity, saingy tsy nisy nanam-po azy hanao izao famonoan-tena tamin’ny fandorana ny tenany izao ny mpiara-monina aminy.
Malala Didier