- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversVavatenina : « Carrière » nihotsaka, olona iray maty tototry ny tany,...

Vavatenina : « Carrière » nihotsaka, olona iray maty tototry ny tany, telo hafa tsy hita popoka

Zava-doza no niseho tao amina toeram-pitrandrahana volamena iray tany amin’iny faritra Analanjirofo iny. Nihotsaka ny tany, raha teo am-pandavahana tonelina 15 metatra ambanin’ny tany ireto mpiasa. Vokany, olona iray no hita faty, tototry ny tany hatreto, ary mbola misy olona telo hafa tsy hita popoka. Ny zoma lasa teo no nitrangan’ity loza ity tao amin’ny  karieran’i Sahalavabe, ao amin’ny fokontany Bongalava, kaominina Vavatenina. Sahabo no 15 metatra teo ho eo ny halalin’ny lavaka efa vitan’ireto mpitrandraka, ary niomana ny handavaka marindrano amin’izay izy io ireo no niseho ny tsy nampoizina. Efa-dahy izy ireo no mbola tavela tao an-davaka tamin’io fotoana io. Niezaka namonjy avy hatrany ireo mponina ary nampilaza ny zandary ihany koa. Ny marainan’ny sabotsy teo no hita ny razana voalohany, ary nomena hatrany ny fianakaviany. Somary nanano sarotra ny fikarohana ireo mpiasa hafa, noho ny halalin’ilay lavaka etsy andaniny ary indrindra ihany koa noho ny rotsak’oram-be tany an-toerana, izay mbola nampihotsaka indray mandeha ireo tany teo ambonin’ity toeram-pitrandrahana ity. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana ireto olona tototry ny tany ireto an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici