- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversBekily : Nisy nanodina ny fanafody nomen’ny “ Médecins sans frontière ”...

Bekily : Nisy nanodina ny fanafody nomen’ny “ Médecins sans frontière ”

Tsy mifidy asiana intsony ny malaso amin’izao. Tamin’ny farany herinandro iny, araka ny vaovao voaray avy any amin’ny distrikan’i Bekily, faritra Anosy, dia mpitsabo teratany vahiny ao amin’ny “ Médecins sans Frontière ” avy any ampitan-dranomasina namita iraka tany an-toerana no lasibatra. Nitondra fitaovana maro momba ny fitsaboana sy fanafody ary kojakoja isan-karazany izy ireo, ary natolony ho an’ny tobim-pitsaboana fototra, na “ Csb ”, tao an-toerana. Natahotra anefa ireto teratany vahiny ireto ka niala tao an-toerana, nefa akory ny hagagan’izy ireo tamin’ity herinandro ity raha ny tatitra azo, fa nisy nanodina ny entana ary tratra tao an-tranona mpitsabo iray. Na ny dahalo na ny tompon’andraiki-panjakana sasany dia samy mambotry vahoaka amin’izao, satria mihevitra ny any Androy ho toy ny tany lavitra Andriana, hoy ny fampitam-baovao. Manaitra ny tompon’andraikitra ao amin’ny ministeran’ny Fahasalamana, noho izany, ireo mponina, mba hampanao fanadihadiana ka handray fepetra amin’izao tranga izao.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser