Loza etsy loza eroa kanefa vao miantomboka ity herinandro. Teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny dia fiara « Mazda » iray no nivadika. Vokany, olona roa no maty tsy tra-drano, 21 ireo naratra. Tetsy amin’ny lalam-pirenena faharoa indray, teo Ankadindramamy dia fiara « sprinter » iray no nitrongy vodina kamiao nijanona teo an-tsisin-dalana. Tsy nisy ny aina nafoy teo, araka ny fanazàvana azo saingy kosa nisy naratra.
Namono olona indray ny lalam-pirenena fahafito omaly. Fiara taxi-be, nalaina hitondra mpandevina ho any amin’iny faritra Vakinankaratra iny no niharan-doza teo amin’ny PK 100, kilaometatra vitsy tsy hiditra an’Antanifotsy. Tokony ho tamin’ny iray ora antoandro tany ho any no niseho ny loza, raha ny angom-baovao azonay. Handeha hizotra ho any Antanifotsy ireto olona ireto ary handevina no anton-dia tamin’izany, saingy izao loza izao no nihatra tamin’izy ireo. Araka ny fanazavàna nentin’ny zandary dia fiara roa no niara-niainga taty an-drenivohitra : fiara Sprinter iray sy minibus, Mazda iray, izay manao zotra 144 eto an-drenivohitra. Iry voalohany tamin’io fotoana io no nitondra ny razana, izay narahan’ilay Mazda avy ato aoriana. Asa na hoe notampohan’ny lalana malalaka ity taxibe ity fa dia voalaza fa tena nandeha mafy tokoa. Efa iarahan’ny rehetra malala anefa ny fiolanana tampoka amin’iny ampahan-dalana iny ka tsy nahafehy izany ny mpamily. Niala ny lalana araka izany izy io ary nanitsy tany anaty tatatra teny amin’iny ankavanan-dalana. Tsy tafajanona teo anefa fa mbola nanidina ary nifatratra tany an-tanimbary nony avy eo. Niolomay nivoaka namonjy ireto tra-doza avy hatrany ireo mponina, niaraka tamin’ny zandary izay nampandrenesina haingana ny amin’iny fisian’ny loza. Voatery nosokirina tsirairay tao ambanin’ity fiara, izay karaokam-by sisa ireo mpandeha tao anatiny. Roa tamin’ireto farany no maty teo ho no eo : lahiantitra 81 taona, izay teo aloha, ary vehivavy 51 taona, nipetraka tao afara. Sivy ambinin’ny folo ny totalin’ireo naratra ka ny 13 tamin’ireo no tena voa mafy araka ny vaovao hatrany. Anisan’izany ny mpamily izay, tapaka tongotra aman-tanana ary mbola tsy mahatsiaro tena hatramin’ny ora nanoratanay. Ireto farany moa izay voatery nampiakarina taty an-drenivohitra ary navantana avy hatrany tetsy amin’ny hôpitaly Hjra tetsy Ampefiloha. Ireo hafa kosa dia efa nahazo fitsaboana tany amin’ny hôpitaly tany Antanifotsy ihany.
Fa fiara iray ihany koa, marika « Sprinter » no simba tanteraka, rehefa nifandona tamina kamiao tetsy Ankadindramamy, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Handeha hiakatra aty an-drenivohitra ity fiara ity, izay marihana ihany koa fa taxibe saingy tsy nitondra mpandeha, araka ny vaovao azo, io tra-doza io. Alina moa ny andro tamin’io fotoana io sady alahady ka inoana marimarina fa tsy mantsy nitondra azy mafy ny mpamily, izay tsy fantatra hatreto na resin-tory na teo ambany vahoan’ny zava-mahadomelina. Satria dia tsy tazany akory ny fisian’ilay fiarabe niantsona teo an-tsisin-dalana, hany ka tany ambanin’ny vodin’ity farany ilay taxibe vao nijanona. Nikarepoka sy tena simba tanteraka ny lohan’ity Sprinter ity vokatr’izay fifandonana izay. Na izany na tsy izany anefa, raha ny vaovao hatrany dia tsy nisy ny aina nafoy tamin’izany. Efa tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ifotony moa ireo mpitandro filaminana mifehy iny faritra iny.
m.L